4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza avela - Tovo j'hay

Miangavy raha azo atao
Aza avelanao aho
Hitady ny ho tiavina
Hitia tsy miavona

Fa mba omeo ahy kosa
Ilay fitiavanao miavosa
Omeo fo tia ny hafa
Tsotra tsy mihafahafa

Aza avelanao hiteny
Raha manambony tena irery
Tsy mijery ireo mijaly
Any ho any
Fa hizara izay mba ahy
Ho modely ara-panahy
Tsy miahiahy

Mitalaho raha azo atao
Aza avelanao aho
Hitady tombony hatrany hatrany
Amin'ny fiainana eto an-tany

F'izay mitady dia omena
Fitia manetry tena
Hitondra izao tontolo izao
Hanaja hanompo anao

Ity aho ry Tompo
Vonona hanompo
Apetrakay ho anao mandrakizay
Ny anio sy ny ho avinay

Partager aza avela

Commenter aza avela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite