4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valalabemandry - Sareraka



Ry Valalabemandry a !...



Voriana ny vahoaka fa hoe foara...

Zavatra tian’ny tantsaha moa ny foara,

satria eo izy no mitady izay tiany sy izay mba iriany...



Tonga ilay rangahy sefodevilazy...

"Vatan-dehilahy rehetra

feno valo ambin’ny folo taona no miakatra, hoy izy,

samia mitondra vola ariary zato

hanatevenana ny volan’ny foara !"...



Tonga ’lay rangahy... hafahafa...

midina amin’ny helikôpitera :

"Inona no tsy misy eto aminareo, hoy izy, f’efa nitondra aho...

Inona no tsy anananareo, fa nitondra izahay.

Misaotra anareo be dia be, hoy izy namarana ny kabariny...

Mandehàna mody, Allez mandeha !"



Dia tonga ’lay rangahy mpanao "gala de chant"...

May androany ny "mille cinq cent francs"...

"Tongava maro, hoy izy,

ny adidy ho vita ary ny aretina ho azo...

fa ny valala hono tsy mandry indroa ambavahady !"...



Valala...

Valalabemandry ialahy...

Valalabemandry ialahy...

Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...



Zefania sy Maria taloha dia nanatona ombiasy...

Izay izany no mba noeritreretiny,

fa ho entina miala amin’ny maha-mafy ady...

Ny ombiasy moa mila vola...

Mahay mampandry kaozy...

Ny harena, fiadanana, hasambarana

"assurés" fa raoziraozy...

Dia hoe : "Foa ! Foa ! Sikidy ! Sikidy !...

As de trèfle... As de carreau... As de coeur... As de pique...

Tsara rizikinao Tale !... Tsara vintana ianao...

fa mandoava valon-jato ê... ny harenanao tsy hiato...

Inty ny Voampoa... Inty ny Vakamiharana...

Inty ny Tongarivo... Inty ny Hazomanga...

Inty ny Tsangan’olona... Inty ny Mabizo...

Inty ny Voan-kininina...

Tandremo sao mitolona raha te ho olomanga !...

Fadio ny tongolo !... Fadio ny tsaramaso !...

Ireo aody ireo ataovy ambany fandriana...

ataovy andrimaso...



Valala...

Valalabemandry ialahy...

Valalabemandry ialahy...

Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...



Zefania sy Maria dia tsy afa-po...

Dia nanatona Mômpoera...

Dia nanainga fivavahana...

fa te hanan-karena hono

mihoatra an-dRatrema...

Mômpoera dia naniraka :

"Fa isaky ny hariva, aza hadino ny manao litania..."

Zefania mpitarika... Mpanoina Ramaria...

Masina Misely a !... Arakanjely...

Masindahy Gabiriely !... Masindahy Rafaely !...

Masindahy Marisely !... Masindahy Semisely !...

Madimaozely avy any Isiraely...

mba ’meo baranjely... Masimbavy Baranjely !...



Valala...

Valalabemandry ialahy...

Valalabemandry ialahy...

Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...



Zefania sy Maria tsy afa-po...

Dia nanatona Fanjakàna...

Niankohankohaka tokoa...

"Fanjakàna malala ô, mba hanaovy asa soa...

fa te hana-karena mihoatra an-dRatrema...

Omeo Trakitera, Bilidôzera, Sekiretera...

Omeo Lenjeniera, Pôrifesera, Vôterinera,

Revôlisiônera, "Johnny Walker", Sôkôlà "Robert"...

Ampio Fata-pera,

mba hanan-karena mihoatra an-dRatrema..."



Valala...

Valalabemandry ialahy...

Valalabemandry ialahy...

Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...



Zefania sy Maria tsy afa-po...

Dia nanatona Fanjakàna...

Tsy Zefania irery, fa izy be dia be...

Izay rehetra mety ho Zefa...

dia nanary voampoa, nanary vakamiharana...

homana tongolo dia homan-tsaramaso...

hifehy fihariana, hifehy fanjakàna...

Izay indray izao no maresaka eny an-tanàna..

Fa ialahy kosa ho’aho ry Valalabemandy,

rahoviana ihany vao ho Valalabemifoha ?



Valala...

Valalabemandry ialahy...

Valalabemandry ialahy...

Rahoviana ihany kay vao ho Valalabemifoha ?...



Jean-Claude Rabeherifara tao amin’ny

http://groups.yahoo.com/group/serasera

Partager valalabemandry

Commenter valalabemandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka