4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valim-babena - Mahaleo

Avia,Neny tiako eto am-pofoako
Eto an-tsandriko ankavia
mba ho akaikin'ny foko
Etsy ho esoriko ireo volofotsy
Hotantaraiko angano ianao
sady hoarahiko rotsirotsy

Ny adidy efa nefa mbola tianao hotohizana
Tsy mahalala hasasarana
Ty mahatsiaro vizana
Mikisakisaka hita ho torovana
Aok'izay f'ianao ilay niaro indray
No mba mila fiarovana

Avia,Neny tiako fa aza miahiahy
Ny ataoko anie
Taratra ny vitanao hatrizay
Etsy ho tantanako fa efa lanaka
Ny aina no mateza
F'ifampitaiza isika mianaka

Partager valim-babena

Commenter valim-babena

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite