4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andro atomika - GHABY RATSITO

Na haingo na ravaka na ny bika

Na fomba fihetsika na mozika

Dia efa novan’ny zanatsika

Fa ny andro hono mantsy efa atomika

Ny teny mazava dia toa tsy tazana

Nanjary tsy hita ny vako-drazana

Fa resaka toa mampihidy vazana

Tsy tian’olo-kendry hiantsampazana



             Ny fomba fiteniny dia tsy an’erany

              Aeliny ery sady aderaderany

              Ny tenin’ny razany tsy nazerany

              Fa saingy nanjairany dabolerany



Na haingo na ravaka na ny bika

Na fomba fihetsika na mozika

Dia efa novan’ny zanatsika

Fa ny andro hono mantsy efa atomika

Partager andro atomika

Commenter andro atomika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GHABY RATSITO