4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tribonaly - GHABY RATSITO

Mpanozondoha: (miantso) Fitsarana

Prezidà: Iza no Radaoro?

Radaoro: (mitsangana) Izaho tompoko

Prezidà: Iza no rasoa?

Rasoa: (mitsangana) Izaho tompoko

Prezidà: Ianareo mivady mitsangana avokoa

Radaoro: (miteny)Eny Tompoko

Prezidà: Ity misy fitsarana

Radaoro: (miteny)Eny Tompoko

Prezidà: Fisaraham-panambadiana

Rasao: (miteny) Eny Tompoko

Prezidà : Ka ahoana sy ahoana

                No hevitrao Rasoa?



Rasoa:     Azafady aminareo re ry Prezidà

                Tsy hanambady an’io raha izaho

                Fa lehilahy maditra ratsy fanahy

                Tsy mampiditra vola an-trano

                Tsy mody izy raha tsy mamo

                Tsy tsara ho any ny miaraka

                 Fa aleo re izahay hisaraka

                 Divorsa no ilaiko

                 Sy masaka an-tsaiko



Prezidà:   Ka ahoana Radaoro no mba hevitrao?

                 Aza mihafihafy fa lazao

                 Izany no tenin’ny vadinao

                 Miandry ny fitsarana

                 Lazao fa aza mihanahana

                 Efa nampody vady va ianao

                 Sa nijanona fontsiny tamin’izao

                 Miandry ny fitsarana

                 Amin’izay hevitrao



Radaoro:  Azafady aminao aho r’ingahy mpitsara

                  Fa toa tafahoatra loatra ity tantara

                 Izao re ny teny kely tiako hambara

                 In-telo aho no nampody

                 Fa Rasoa no tsy nety nody                



Rasoa:(miteny) Lainganyy izany tompoko, laingany izany



Radaoro:   Divorsa no iriany

                  Ka ataovy izay tiany



Prezidà:     Izao re no izy ry izy mivady

                   Henoinareo azafady

                  Tsy misy izay mpivady tsy miady

                   Fa ho setrin’izany

                  Mifandefitra ihany

                  Ny zanakareo jerena

                  Fa tena mampahonena

                  Hijaly mandra-maty

                  Ho kamboty tsy satry

                  ......

                  Hisintona kely ny fitsarana

                  (Lasa mivaoka)



Radaoro:    Fa maninona moa Rasoa



Rasoa: (miteny) Haninona?



Radaoro:     Raha mifampody isika roa



Rasoa: (miteny) tsy misy io



RAdaoro:      Mahonena ireo zanatsika ré

                     Mangina ny tokantrano anie

                     Andao re ry vady tiako

                     Ny hendry no faniriako

                     Ao aoriana ianao dia hahita

                     Fa neniko daholo ny efa vita



Rasaoa:         Azafady aho Ndrematoa

                      Aza izaho no hivakina loha

                      Be no efa vitanao

                      Efa tofoka raha izaho

                      Any an-kafa indray re

                      Mba mimamo lava

                      Fa Rasoa efa leo sy toa tatam-bava

                      Mba hiafio re ny tranomaizina

                      Sazy mihatra ka tsy azo laizina.



(Miditra ny mpitsara sy ny mpanozondoha)



Mpanozondoha: Fitsarana



Prezida:       Rehefa nandinika ny fitsarana

                     Ka namolavola tsara ireo lalàna

                     Izao re ny teny fara-fiantrana

                     Modia aloha lisaina tsara

                     Sao hanenina any afara

                     Ny ankizy mbola zaza

                     Sao dia mitanatana vava



Rodobe:       Nahoana ny hajan’ny firenena!

                    Ny hasin’ny tokatrano no hosena

                    Voninahitra tokony an-tsobiky

                    Ka atao fatam-bary fa tsy vohitsy

                    Mifanaraha ianareo

                    Ny zaza madinika no jereo

                    Ny toetra modely no aoka haseho

                    Ny fo misandaotra re mba toneo

                    Nahoana ny hajan’ny firenena!

                    Ny hasin’ny tokantrano no hosena

                    Voninahitra tokony an-tsobiky

                    Ka atao fatam-bary fa tsy vohitsy.

                

Partager tribonaly

Commenter tribonaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GHABY RATSITO