4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy tanora - GHABY RATSITO

Ref: Samy tanora avokoa

        Ka aoka tsy hifampitamby!

        Samy manana raha  ny hampo-po

         Ka veloma  ary dia mampamangy



Lehilahy: Tsy niady na hoe nifanditra

                 Ka hirintona izato ianao

                 Sa fitia no efa ho ritra

                 Ka veloma raha toa ka handao

Ref:



Vehivavy: Domoina sy voromailala

                  Tsy tsara raha miara misioka

                  Izay hanenina re no adala,

                   Aleo re hanenjika alika



Ref:



Lehilahy:  Tsy omeko tsiny ary ianao

                  Raha handeha ka tsy hanambara

                  Kanefa aoka ho lazaiko anao

                  Fa tsy ianao irery anie no tsara



Ref:



Vehivavy:  Any an-kafa re manorin-dasy

                   Fa tsy mendrika ho anao raha Itasy

                   Hitsikitsika sy vorombola

                    Tsy tsara raha miara-midola



Ref:

Partager samy tanora

Commenter samy tanora

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GHABY RATSITO