4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Divorce - Ghaby ratsito

Iza no Rajao? ‘za Tompoko
Iza no Rasoa? ‘za Tompoko
Ianareo mivady mitsanga avokoa
Inty misy (eny Tompoko) fitoriana (eny Tompoko)
Ka ahoana sy ahoana moa ny hevitra Rasoa
Izany no hitsarana.

Azafady aminao Mosie lepirezida.
Fa tsy hanambady an’io raha iza
Fa lehilahy maditra ratsy fanahy
Tsy mampiditra vola an-trano
Tsy mody izy raha tsy mamo
Tsy tsara ho anay no miaraka
Fa aleo izahay misaraka
Divorce no ilaiko , sy masaka an-tsaiko.

Ahoana Rajao re no mba hevitrao
Aza miandriandry fa lazao
Izany no tenin’ny vadinao
Miandry ny fitsarana lazao f’aza mianahana
Mba efa nampody vady ve ianao
Sa dia nijanona tamin’izao
Miandry ny fitsarana izay teninao.

Azafady aminao re ry R’Ingahy mpitsara
Fa toa tafahoatra loatra ‘ty tantara
Izao re ny teny kely tiako hambara
Intelo aho no nampody
Fa Rasoa no tsy nety nody
Nataoko izay azoko natao
Divorce no iriany ka ataoko izay tiany

Izao re no izy ry izy mivady
Henoinareo azafady
Tsy misy mpivady izay tsy miady
Fa ho setrin’izany mifandefitra ihany
Ny zanakareo anie jerena fa tena mampahonena.
Mijaly mandramaty kamboty tsy satry.

Isintona kely ny fitsarana!

Maninona moa Rasoa
Raha mifampody isika roa( tsy misy izany)
Mahonena ny zanantsika
Mangina ny tokantrano re!
Andao re ry vady tiako
Ny ho Hendry(tsy hody intsonyaho hoa) no faniriako.
Ao aorina ianao dia hahita fa neniko daholo ‘zay efa vita.

Azafady aho Ndrematoa
Aza izaho no hivadihan-doha
Be re ny vitanao , efa tofoka raha izaho
Any an-kafa indray re mba no mimamo lava
F’ Rasoa efa laony tsy tia tabataba
Fa idiro ny trano maizina , sazy mihatra ka tsy azo laizina.

Rehefa nidinika ny fitsarana
Namolavola tsara ity tantara
Izao re no teny farany azo ambara.
Modia aloha misaina tsara sao anenina any hafara
Fa ankizy dia mbola zaza
Sao dia mitanatana vava
Tsy an-tranon-dray sy reny
Tsy misy mpiteny.

Nahoana ny hajan’ny firenena
Ny hasin’ny tokantrano no hosena
Voninahitra tokony ho an-tsobiky
Ka atambatambaro tsy hovoaidy
Mifanaraha ianareo
Ny zaza madinika no jereo
Ny toetra modely aoka haseho
Ny fo misendoatra fohano hatreo
O o o (in 2)

Partager divorce

Commenter divorce

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ghaby ratsito