4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Na iza milaza azy ho je suis - GHABY RATSITO

Na iza milaza azy ho je suis

Na ny matavy na ny mahia

Raha mbola mandia ’ty tany ’ty

Rehefa voantso ho avia

Tsy misy intsony ny arrangement

Na ny fanontaniana hoe comment?

Na ny tsy mbola handeha anho fa attend!

Fa rehefa voantso dia en avant



Na iza milaza azy ho je suis

Raha mbola mandia ty tany ty

Tsy misy intsony ny arrengement

Fa rehefa voantso dia en avant.



Ny mirehareha foana adalàna

Ny miavonavona afokàna

Rafahafatesana tsy mifidy

Mahery tsy refesi-mandidy

Ka na ambony ianao na ambany

Raha mbola olombelona ihany

Rehefa voantso dia avy hatrany

Manao veloma itony tany



Na iza milaza azy ho je suis

Na ny matavy izy na ny mahia

Tsy misy intsony ny arrengement

Fa rehefa voantso dia en avant.



Fialonana tsy mahatonga hatraiza

Ny volo hala tsy dia mankaiza

Na ireo vola izay feno vata

Voninahitra be izay mitatatata

Rehefa voantso dia foana fongotra

Mikimpy dia io mampitovy tongotra

Hay ve ny olona rehefa lasana

Tsy mahazaka inona any am-pasana



Na iza milaza azy ho je suis

Na ny matavy na ny mahia

Tsy misy intsony ny arrengement

Fa rehefa voantso dia en avant.

Partager na iza milaza azy ho je suis

Commenter na iza milaza azy ho je suis

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GHABY RATSITO