4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andao hikalo - Jaky

Andao hikalo



Maso tena manangoly,

Teny mampamolivoly,

Tsiky feno fiangotiana,

Tokelaka fihantsiana,

Mampanantena eo imolotra,

Ny fo tsy atolotra,

Finaritra manaitaitra,

Tsy tena tia fa haitraitra.

Ny aty tsy taitra intsony intsony

Fa matotra sy tena tony !

Tsy adala akory k’ hanantena

Fitia fitiavan-tena.

’Ngamba tsara tarehy tokoa ianao

Reh’fa ny fanahy no tsy aminao

Dia tena ankoso-bolamena

Mamirapiratra jerena.

Tsy ianao no afaka handratra

Ny foko efa feno fatra…

Ny lalanao andeha izory,

Izaho tsy lavo akory.

Ny aty tsy taitra intsony intsony

Fa matotra sy tena tony

Tsy adala akory k’hanantena

Fitia fitiavan-tena

Partager andao hikalo

Commenter andao hikalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jaky