4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miara-mitempo - Jaky

Maso mifanojo, tsiky fohy mandalo,

Tsy nifamotoana dia niaraka nikalo,

Vetso mifanjoy, saina mifandray,

Fo miara-mitempo ô, toa fo anankiray.

Raha misento anaty fa naratra irery,

Na te-hikombona aza tsy afaka miery:

Sarotra anafenana ny olon-tena tia e,

Miaraka milanja ô ny ratsy sy ny fy.

Hifanaraka hiaraka hatrany

Ny olona mifankahazo,

Hifanaraka hiaraka hatrany,

Na mpianaka ireo na mpivazo,

Hifanaraka hiaraka hatrany,

Mpinamana sa mpirahalahy

Hifanaraka hiaraka hatrany,

Dia manjary miombom-panahy.

Maso mifanojo, tsiky fohy mandalo,

Tsy nifamotoana dia niaraka nikalo,

Vetso mifanjoy, saina mifandray,

Fo miara-mitempo ô, toa fo anankiray.

Raha tafasaraka mifampahatsiahy,

Sendra ady mafy zaraina ny ahiahy.

Rehefa tafahaona tsy lany ny koràna,

Tojo fifaliana ô, mitambatra hafanàna...




Partager miara-mitempo

Commenter miara-mitempo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jaky