4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy taitr'intsony - Jaky

Tsy taitr’intsony





Avy aiza ? tsy haiko lazaina !

Diniho ka fantaro…

Mameno ny fo sy mambabo ny saina,

Faniriana tsy hay tohaina

Fa toa manosika hatrany,

Hatraiza no hiafaràny ?



Fikasàna tato anaty foana

Ny hikalo ny tontolo anoloana,

Ny fitiavana sy ny hafaliana,

Ireo tolona sy ireo fahoriana.



Avy aiza ? …

… faniriana tsy hay tohaina.



Ankehitrio ato am-poko

Tsy mety hangina fa miantso toy izao :

Na faly ianao na toloko

Dia hirao ’zay rehetra iainanao.



Avy aiza ? …

… hatraiza no hiafaràny ?



Na ho mora na ho sarotra izany

Dia ny hira no hanambaràko hatrany

Ny hafaliana mampamiratra tava,

Ny alahelo izay tsy mety misava.



Avy aiza ?…

… faniriana tsy hay tohaina.



’Zay rehetra izay no anasako anareo,

Andao isika mba hampiara-peo.

Tsy fantatra akory ’zay nahatonga an’izany,

Na avy aiza loatra no dia nitrangàny !

Andao hikalo, hihira sy handihy !



Ankehitrio ato am-poko

Tsy mety hangina fa miantso toy izao :

Na faly ianao na toloko

Dia hirao ’zay rehetra iainanao

Andao hikalo, hihira sy handihy !




Partager tsy taitr'intsony

Commenter tsy taitr'intsony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jaky