4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sao diso aoriana - Jaky

Ianao ve moa

Tsy mahatsapa fa ’tsika roa,

Toa variana milalao koa,

Tsy mahalala fa mety ho lo

’Lay fitia

Mbola miandry anao

Mba ho toky hikarakara.

Mba jereo

Fa manantena anao

Sy miandry anao hizara

Ny ao am-po.

Ny amiko efa mazava

Miandry anao hiloa-bava, nefa



Sao diso aoriana

Ka ny hafa no hisantatra

Ilay anjaranao

Mba jereo ho’aho

Ianao no mahalala ’zay tokony ataonao.



Ianao ve ho’aho

Tsy matahotry ny ho tara

Sy manahy

F’ilay fitia

Mety hangatsiaka ho doria.

Asa ho’aho

Teny kely iray

Dia hiova ny tontolon-

Tsika roa

Ka ho tena iray

Hiara-hiatrika ny ampitso

Ilay fo,

Nefa ianao toa mangina,

Miandry ahy haminavina, nefa



Sao diso aoriana

….

Partager sao diso aoriana

Commenter sao diso aoriana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jaky