4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako fa manja - Jaky

Na fotsy, na zarazara,

na manga na ngalingaly,

Viavin’i Gasikara,

maro tsara valy !

An-tampon-tanàna,

eny ambanivolo

Izay jerena manadala,

manja be daholo.

Miakanjo lamba zandiana,

misikina lamba oany

Na inona fitafiany,

manendrika azy hatrany.

Itsy mamaha volo,

Izatsy tsara taly,

Reh’fa samy voakolokolo,

manja jiaby valy !

Na mitsiky malefaka, na manao farahehy

Ireo endrika meva zalahy feno hatsaran- tarehy !

Tazano sy diniho tsara, tsy an-trano tsy an-kianja,

Viavin’ity Gasikara, tsy mba lany manja !

Tiako fa manja ô!

(Tsara ka tsara ka tsara be!)

Na amorontsiraka,

Na afovoantany,

Dia samy mamirapiratra,

kanto aok’izany ;

Tsipy sandry sy dihy soroka,

malesa sy ny salegy

Basesa mitapôlapôlaka,

samy mampandrevy.

Ny tongotra toa mijoro,

jereo ’zato andilana

Mihararetra toa zozoro,

Mihilangilana.

Mody tsy mijery,

Nony dila, manara-maso,

Toa manao fangalam-piery,

Te-hatao hoe : " andraso ! ".

Na mitsiky malefaka, na manao farahehy

Ireo endrika meva zalahy feno hatsaran-tarehy !

Tazano sy diniho tsara, tsy an-trano tsy an-kianja,

Ny viavin’ity Gasikara, tsy mba lany manja !

Tiako fa manja ô! !




Partager tiako fa manja

Commenter tiako fa manja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jaky