4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao hiteny - Jaky

Ny foko efa nivoady

Hiara-dia aminao rahatrizay

Ireo mpankahala tsy mitsaha-mitady

Hampisaraka antsika sy handrava lay

Ny endrikao manazava

Izay alehako hatramin’izao

Ny antsika fo mifangihy lalandava

Ireo mpanenjika antsika ho lao



Avelao hiteny ireo olo-mandrara

Tsy ahoantsika ireny na inona hambara

Avelao hiteny ireo olon-tsy tia e

Satria izaho sy ianao iray hatramin’izao

Aza-manahy

Azy ho azy ny azy



Mamela-pandrika toa fahavalo

Mitsiriritra sa mialona ve ireo

Fitiavako anao tsy mba mety mimalo

Na inon-kitranga na inon-kidona

Fitia voasedra fitia mandra-maty

Ka tsy hilofika na mba hidola

Fitia lalim-paka sy latsaka anaty

Na inon-kitranga na inon-kiseho





Avelao hiteny ireo olo-mandrara

Tsy ahoantsika ireny na inona hambara

Avelao hiteny ireo olon-tsy tia e

Satria izaho sy ianao iray hatramin’izao

Avelao hiteny ireo olo-mandrara

Tsy ahoantsika ireny na inona hambara

Avelao hiteny ireo olon-tsy tia e

Satria izaho sy ianao iray hatramin’izao

Aza-manahy

Azy ho azy ny azy



Na inon-kitranga na inon-kiseho

Na inon-kihantra na inon-kidona



Avelao hiteny ....


Partager avelao hiteny

Commenter avelao hiteny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jaky