4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Io namako io - Joy K

‘Ty hira ity, no hatolotro

Ho anao r’ilay namako hafa indrindra

’Zay navahako hatr’izao,

Fa raha nangoniko

Ireo teninao dia nahatonga saina ahy.



Ny hakiviako no efa atomotra,

Fa ianao, no nampahery nampirindra,

Nanao izay azo atao

Ka teo vao tsapako,

Fa mana-namana aho

Manoro sy manampy ahy.



Ref: Io namako io, azoko antoka

Mba fananako, sady matotra

Tena solon-dray aman-dreny ho ahy

Tsy foy no tsy asiako ahiahy

Io namako io, sarobidy ho ahy

Reharehako fifaliana ho ahy

Masoandro amam-bolana ankiray

Tsy hiala ato am-po mandrakizay.



Saingy hira iray no mba voatolotra,

Fa ny fo mitempo no mameno eto am-pikaloana,

Raha ny vitanao, tsy ho voavaly,

Ny hisaotra anao tsy ho ampy.



Réf





www.joyk.net

Partager io namako io

Commenter io namako io

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joy K