4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Teny sambatra - Joy K

Tovo J’Hay :

Sambatra ianao avy eo sambatra aho

Rehefa tafaray izaho sy ianao

Hitondra ny fiainana iray vaovao

Natokako irery ho anao

    

    Avo be ka tsy takatro

     Ireo kintana homeko anao

     Fa todiko foana na dia eny ianao

     Hamiratra ho ahy manontolo



(Fa ho ahy tiako ho ahy irery ianao

Hiadana sy ho finaritra aho

Hitan’ny ambanin’ny lanitra) X 2





Joy K:

Ianao irery no nilaiko

Ianao ilay nofinidy

Nahay Nandamindamina ny saiko

Diamondra sarobidy.



    (Raha misy ny hadalàko

    Olombelona tokoa

    Aoka re mba hofafàko

    Dia hovaiko ho zava-tsoa.) X 2





Tovo J’Hay & Joy K :

Izahay ho avy aminareo androany

Fa hisinda indray ny tomany

Ilay fo hibitaka angamba tsy ho tana

Tonga izahay hanome hafanana



    (Tsy mbola niova hatrizay

    Ilay fitia izay nomena anay

    Fa vao maika hitombo vaika

    Ilay fidoboky ny fo ho iray) X 2



Joy K :

Ny tambitamby izay fanao

Horokoroka fahiny

Raha mety re ianao

Averiko eto ankehitriny.

Ny bedibedy izay tsy tanty

Izay nandreraka ny loha

Tsy ataoko intsony mandra-maty

Izao dia izao aho dia hiova fo.

Partager teny sambatra

Commenter teny sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joy K