4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara tso-drano - Mahaleo

’zahay mivady toa sodrian-tory

mihevitra anao ankizy foana

nony nihiratra taitra tsitahita akory

hay moa ianao tonga taona



hay moa tokoa ianao ari-elatra

te hanana zo te hande te hivelatra

vita ny adidy ny dada sy neny

efa voninkazo ’ilay voa novoleny



handeha, tsara tso-drano

tsy ho azon-tsampona tsy hidiran’angano

handeha, soava-tsaraha, zay vao tena lehilahy



be ny tafahoatra, be koa ny tsy ampy

na ny anatra na tambitamby

be ny sakatsakana, be ny fandrarana

toe-tara toe-drandro izay mazana



nefa izay moa no mba heverinay ho tsara

satria ny tianay dia ho tsara dimby sy fara

aza tsiriana  mety tsy ho tsara daholo

ny mba ho fariana ny hahay  ny taiza sy ny hikolo



handeha, ny any aloha no banjino

ny fahendrena no hany vatsy aza adino

handeha mahità ny mamy

mba ho lavitra tomany



lasa nandeha ka hisidina irery

efa lehibe tsisy handidy tsisy hanery

handimby ireo zoky antsoroka adidy

ny mba faniriana  tsy ho ratsy safidy



handeha, mahaleova

f’ianao no dimby, ianao no handova

handeha, ny anarantsika, aza avela ho entin-driaka

Partager tsara tso-drano

Commenter tsara tso-drano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite