4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokana ihany - MIARY FANANTENANA

Tsy ny vola na koa ny fananana harena

No antoka ilaina ahazoam-pamonjena

Fa ny faneken'ilay Zanaky ny Avo

Tonga hamonjy ny lavo

Lavon'ny ota izay nolovana

Tamin'i Eva sy Adama



REFRAIN

Fa tokana ihany no làlana azo izorana

Dia ny Tompo Jeso namoy ny ainy mba ho fanavotana

Fa Izy no fahamarinana afaka ny hanamarina

Antsika rehetra izay dison'ny ota

Te-handova ny fiainana



Tsy ny fahaosana na tsy fahampiana

No ilazana fa hianao anie nofidiana

Handova ny fiainana mandrakizay

Ao an-dapan'ny Ray

Fa ny fanekena an'i Jeso ho Tompo

Fietrena ho mpanompo



Tsy hoe ratsy ny fananana ireo diplaoma

Indrindra raha tena mbola kely taona

Fa saingy voafetra  eto an-tany ihany no ilàna izany

Katsaho ilay fiainana an-danitra ao

Dia ho velona hianao





Auteur-compositeur : Jimmy Andrianjaka

Partager tokana ihany

Commenter tokana ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIARY FANANTENANA