4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vato fehizoro - MIARY FANANTENANA

Sambatra izay tafaray

Amin'i Jeso ho mandrakizay

Fa manana antoka tsy voahozongonzona

Satria ny fiainanay dia tsara orina



REFRAIN

Fa Jeso no vato fehizoro

Izay miaraka Aminy dia tsy mba mikoro

Izy no vatolampy tsara indrindra

Ny fitantanany dia tena mirindra

Ka andeha isika hanatona Azy

F'Izy handray tokoa izay tena mitady



F' Izy hamaly soa izay tena mitady



Sambatra izay tafatoetra

Amin'i Jeso fa tsy hanjoretra

Na sarotra ny dia hahita fifaliana

Satria Jeso nekeny ho olon-tiana



Sambatra izay sahy milaza

Ny Tompo Jeso ho tena sakaiza

Mahazo tambitamby anati-mahory

F' ilay sakaizany tsy mba matory



Auteur Compositeur : Jimmy ANDRIANJAKA


Partager vato fehizoro

Commenter vato fehizoro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MIARY FANANTENANA