4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankiniko - Ny Ainga

ANKINIKO

Ray ô manirery anie aho miandrandra anao mangina
Mafy iny fiainam-pitiavako niainako iny
Zay nantenaiko ratra ao am-po
Dia vavaka irery tomany no anjarako

Tompo ô Adriamanitro Ianao, mafy ny efa nentiko
Andriamanitra ô ankiniko Aminao ny fiainako
Andriamanitra ô atolotro anao ny ranomasoko

Fa fitiavana iny ranomasoko iny, fitiavana ireny fahalemeko ireny
Fitiavana iny niaretako iny, iny fiafiako iny…fitiavana

Ray ô mino mafy anie aho fa tsy avelanao irery
Reo ranomaso manginako ny alin’iny
Mino aho ny ampitsoko mino aho Tompo ô
Dia mahatoky fa mba hipoitra masoandroko

Niezaka aho hitia ho tokam-po hatrany
Nefa toa very dia tsy mba nahita ny mamy
Niezaka aho nikiry nanjohy anazy hatrany
Fa ny lalako iny lasa tomany
Niezaka aho nikiry nanjohy anazy hatrany
Fa ny lalako iny lasa tomany

Fa fitiavana iny ranomasoko iny, fitiavana ireny fahalemeko ireny
Fitiavana iny niaretako iny, iny fiafiako iny…fitiavana

Tsy olona iray hahasambatra ahy no tena iriko Tompo
Fa olona iray ho tiaviko mandritra ny fiainako

Tantano ny lalako Tompo tantano ny ampitsoko
Mba nomenao ahy ty foko hanan’ny anjarany
Tantano ny lalako Tompo tantano ny ampitsoko
Ankiniko Aminao ty foko omeo izay ho anjarany
Ankiniko Aminao ty foko omeo izay ho anjarany

Partager ankiniko

Commenter ankiniko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite