4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iny lanitra manga - Ny Ainga

INY LANITRA MANGA



Iny lanitra manga tomaratra iny ry Tompo

No hery manentana ny hafaliako

Iny lanitra manga mamiratra iny ry Jesoa

No fanantenako eny an-dalana eny

Na eo ireo tafiotra afafin’izay tsy tia

Ny ahy ny finoako tsy misy tahotra

Iny lanitra manga ao ambadik’io rahona io

Tsy maintsy ajoroko an-kasahiana



1-Teny an-dalana eny aho ry Tompo

Nahita ory tsy misy mpiahy

Endre zato maso mipitrapitra

Mananty ambim-bava eny an-jorony eny

Zaza madinika ilaozan-dreny

Niangaran’ny vintana hanirery ô

Fa nahoana re ?

Tsy ray tsy reny fa zaza manjeny

Fa osa sy bado tsy manan-kamonjy ô

Ireo re ny zandrinao ry Jesoa

(Zandrinao izy ireny)

Ka iza no ilainy? Iza?Iza?

Izaho re ry Tompo tsitoha ô

Fa ny foko tsy ahazaka hijery an’ireo

Fa efa voadoron’ny teninao



2-Teny an-dalana eny aho ry Tompo

Mandre ny tanànako toa ho lao

Fa riso sy halatra sy soloky

Firehana diso mambabo fo

Aina vonoina toa ts’isy tody

Fehezin’ny vola hatraiza hatraiza ô

Fa nahoana re

Hare-mitanila mahantra mangina

Fanahy maha-olona no indro ho rava

Ireo re ny zandrinao ô ry Jesoa

(Zandrinao izy ireny)

Ka iza no ilainy? Iza?Iza?

Izaho re ry Tompo tsitoha ô

Fa ny foko tsy ahazaka hijery an’io

Fa efa nisotro ny aleoko ho maty



“Ho fahatsiarovako manokana an’I Lanto”

Mpankafy Ny Ainga sy mpankafy io hira io

1 mai 1972 - 04 décembre 1996

Partager iny lanitra manga

Commenter iny lanitra manga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite