4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay voalohany - Ny Ainga

Ry vorona ô mikopaka iny an-danitra iny

Mba tazanao Ravolasoanirina izay e

Mijaly manan’olon-tiana

Misento an-tanan’olon-kafa

Fa nosoloiny an-tsokosoko ô

’Lay tany am-pita

Fa lavitry ny maso mantsy dia nafoiny



Ny fiainany nampoiziny ho tantely hatrany

Fa saingy re ny voky tsy mahaleo ny tsiaro

Ny safosafo eran’ny vatany

Mamoha sary avy ao anatiny

Ny orokoroka am-pandriana e

Zary toa matsatso

Tadidy foana mantsy hoy aho ilay voalohany



Ny lasa anie tsy mety maty e rey olona ô

Ny lasa anie misoka mora rey olona ô



Ilay nisantatra ny molony e

Raha nampiaraka fahiny e

Ilay nisantatra ny vatany

Any izay fa tsy hay kosehina



Tsaroany tena tsarony

Tadidy an’io fa tsy voakosoka e

Tsy levony tena tsy levony

Fa re manonja mangingina ry lahy e

Ooo E roy e izany mantsy ity fitia e

Fa hafa ihany hoy aho e

Hafa ihany ilay voalohany

Fa hafa ihany hoy aho e

Hafa ihany ilay taloha

Izany mantsy ilay voaloham-pitia e



Mitia anie ny tia fa mbola azo fitahina

F’ilay taloha mamela tsimoka ao an-tratra

Ny tia rehefa lasan-davitra

Vao mampisento manadala

Ilay ranomaso harivariva ooo

F’izy tsy hita intsony

Fa any ho any mantsy izay ilay tokana iny



Ooo

Ny lasa anie...

Partager ilay voalohany

Commenter ilay voalohany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite