4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia voahasina - Ny ainga

FITIA VOAHASINA

Eto anatrehan’Andriamanitra
no anolorako ny fiainako
Hanaiky anao ho fitiavako
ho mandra-maty tsy an-kivadika.
Tsy sanatria filan’ny nofoko
Na koa fitiavana miserana
F’ilay fitia tsy misaraka
Firaisan’aina tena masina

Fa tena tiako, eny tena tiako
Fa fanomezana avy aminao, ry Tompo
Ity olon-tokana meva nofidiako
Ilay tiako (4x)

Voninkazo manam-petra hoekeko mandra-maty
Hoentiko anatrehanao, ry Andriamanitra fitia ô

O ry Ray ô, tiako sady mamiko ianao
K’io ny foko sy ny saiko
hitia tsy misy fetra ô anilanao
Ka ny androko tontolo sy ny fiainako rehetra ô
ao aminao

Tsy hoe tiako izy ka nofidiako
Fa nofidiako izy ka tiako, ou ooooo

Ny lalako iny lalan-davitra
Fa rehefa tia tsy mba matahotra
Tsisy olombelona mifankatia
Ka tsy ho tafita am-paradisa soa
Mba mamy loatra ny fitiavanao
Asiana tsiky, fandeferana
Ilay fitia tsy mba misaraka
Firaisam-po mifampitantana

Fa rehefa tia, rehefa tena tia e
Mahita tsiky tsy resin-dranomaso
Mifankatiava dia izao: matokia!
Ilay tiako (4x)

Voninkazo manam-petra hoekeko ho mandra-maty
Hoentiko anatrehanao, ry Andriamanitra fitia ô
(tena tiako mandra-maty ô)
O ry Ray ô, tiako sady mamiko ianao
(tiako sady mamiko ianao, ianao tiako)
K’io ny foko sy ny saiko hitia tsy misy fetra ô anilanao
Ka ny androko tontolo sy ny fiainako rehetra ô ao aminao
(Ka ny androko rehetra sy ny fiainako ho anao)

Satria safidiko izy
Dia hotantaniko ny tanany
Satria safidiko izy ô
Dia ho tiako hatramin’ny farany
Satria safidiko izy ô
Dia ho tiako hatramin’ny farany

NY AINGA

Partager fitia voahasina

Commenter fitia voahasina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny ainga

Suite