4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana milay - NY AINGA

Tsy moramora ny mitia sy miaraka
Mamy tokoa, nefa koa tena mangidy
Fa rehefa tia, mitiava tsy hisaraka
Aza mandao, mahatantesa mitia

Hafa ny anio tsy tahaka ny omaly
Ilay tsikinao, mety hiova tomany
Fa ny fitia, tsy orokoroka hatrany
Fa ny fitia, ranomaso ihany koa

Ilay tokinao mety hiova rahampitso
Misy tokoa manja noho ny an-tratranao
Fa ny fitia dia ilay kirinao mifikitra
Fa ny fitia dia fandavan-tsitra-po

Ilay maminao misy toetra mahatofoka
Tsy ampoizinao, miova ilay fiadananao
Fa ny fitia tsy dia vola sy fananana
Fa ny fitia fahantrana ihany koa

Aza mitia raha tsy vonon-kamela
Aza mitia raha mbola te handao
Aza mitia raha mitady lavorary
Aza mitia raha hikendry tombon-tsoa

Partager fitiavana milay

Commenter fitiavana milay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY AINGA

Suite