4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alina - Ny Nanahary

Alina re(alina re), alina re(alina re),alina re!



Gina avokoa izao ny voahary

Izany tontolo efa maizina re

Lasa nody ilay masoandro

Manazava izao rehetra izao

        Injany any ho any fa heno manako

        Any lavitra any toa feon-dakolosy

        Manambara fa alina ny andro

        Ary koa mamohafoha ny fanahy



Mba kanto loatra ity alina

Ka indro tsy tana ny vetsoko izao

Dia avy aho mikalo mangina

Mahatsiaro azy ’zay ny fo mahatsiahy



Alina re(alina re), alina re(alina re),alina re!



Ny fo mahatsiahy no indro misento

Manembona lava ’lay tiana any ho any

Mandefa fanahy ny volana ambony

Hiampita hitondra ny vetsoko, alina, alina re!!!


Partager alina

Commenter alina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Nanahary

Suite