4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noely - Ny Nanahary

[u]Ref : [/u]

Ny noelinay ry zareo,

Ao an-trano bongo mangingina,

Tsy mba laoka vorontsiloza

Fa sosoa miampy kitoza.

Tanin’afo dia izay,

Rom-patsa miaro sakay ;

Tsembotsemboka eo ry zandry

Fa tomany kosa ry zoky,

Tomany fa kamboty.





Mahatsiaro ireo andro fahiny mbola nisy an’Ikaky hitosiana,

’Zao anefa dia afaka ho aiza fa nilaozan’ny reny nitaiza

Gadon-kira atopan’ny alina no sisa mandrotsy ombieny.



Feom-baliha tinerin’ny sento no miritsoka mamelovelo,

Singanin’ny feon-dakolosy izay manaitra indray ny alahelo,

Hany hery ny fo ngolingoly manokatra ny Baiboly.



Raha mahita anay tsy miteny dia mandroaka mena masoandro,

Nefa kosa mba tsarovy ihany fa kodiarana anie izany tany.

Raha anio izahay no tomany, ampitso mbola hifaly.

Partager noely

Commenter noely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Nanahary

Suite