4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fara-dona - Ossy

Injay midona moramora

Any antsefan-drahona any

Oram-baratra mijojo

No indro tamy sesilany

Injay ilay ako fa miraona

Nefa maty vetivety

Kanjo dia misinda mora

Any am-paravodilanitra

Lasa ho azy teo ny sento

Mamisavisa zava-maro

Vetsovetso tsy hita fetra

Mifanjevo, mifangaro

Mitadidy ny efa lasa

Ireo Malala izay nafoy

Kanjo ranomaso sisa

Potrapotraka mijohy



Hay tsy inona tsy akory

Ilay nampivetso tsy hita faritra

Nitondra amboara nampahory

Sy nahavelom-pisentoana

Fambara orana ho lany

Izay namela fara-dona

Zary nampisentosento

Soa ihany tsy naharitra ...

Partager fara-dona

Commenter fara-dona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ossy

Suite