4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iray minitra monja - Ossy

Ny iray minitra monja tsy eo anilanao toy ny zato taona

Ny alina ao amponja raha eo anilao manjary lohataona

Ny tebitebin-tsaiko lavitra anao tsy zakako lanjaina

Izany re ry Aiko, tsapako hatrizay ka sahiko lazaina



Iny lanitra iny homeko anao

Iny volana iny hataonao kilalao

Tsy ho ekeko intsony hatrizao

Ny ho velona tsy eo anilao

Fa amiko ... izao tontolo izao ianao ...



Ny iray minitra monja tsy eo anilanao toy ny zato taona

Ny alina ao amponja raha eo anilao manjary lohataona

Ny tebitebin-tsaiko lavitra anao tsy zakako lanjaina

Izany re ry Aiko, tsapako hatrizay ka sahiko lazaina



Mamiko ka mamiko ny hiaraka aminao

Sahiko ka sahiko ny hanao izay sitrakao

Any fa ny tanindrazanao no hanjary ho tanindrazako

Ka ny fasana hilevenanao ... no ekeko ho fasandrazana

Partager iray minitra monja

Commenter iray minitra monja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ossy

Suite