4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vavaka asandratray (ta.kri.va - Tanora Kristiana Vavolombelona)

1-O! mba henoy ry Tompo o!

    Ny vavakay asandratray

    Fa efa trotraka sy laho

    Ka dia mila anao ry Ray

    Ny firenena Tompo o! jereo

    Fa mihasimba be tokoa

    Feno haratsiana mila hankaleo

    Toa tsy mampandry saina koa

    Ireo mpitondra toa lany andro

    Mifanenjika etsy sy eroa

    Ireo vahoaka no mizaka fahoriana

    Mavesatra tokoa (Tompo o!)



ref: Ka ho aiza moa izao no aleha raha tsy ao ao aminao

       No itondranay ny entanay zay mavesatra

       Tompo o! ianao no antenainay hanamaivana

       Hitondra hery sy fanavotana ho anay    



2-O! mba valio ry Tompo o!

   Ny fangatahanay anio

   Ka mba vonjeo ireo mahantra

   Difotry ny fahoriana

   Olon’izao tahaka anay

   Fako no hany fihinany

   Tsy manan-trano handriana

   Fa an-dalan’eny no mikodia

   Ny zazavavy mivarilavo

   Mivarotena ny alina

   Ny zazalahy manimba tena

   Amin’ny fidoroana sy fisotroana (Tompo o!)  

Partager vavaka asandratray (ta.kri.va

Commenter vavaka asandratray (ta.kri.va

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tanora Kristiana Vavolombelona)