4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mifalia ry zatovo (tcr - Tarika Christophe Ratrema)

Mifalia Ry Zatovo

Dieny mbola tanora ianao o !

Aoka ny fonao hampifalifaly anao

Amin’ny Fahatanoranao



Mandehana ,amin’ny sitraky ny fo

Izay jeren’ny maso, izay andrian’ny saina

Mandehana ,amin’ny sitraky ny fo

Izay jeren’ny maso

Nefa fantaro fa mbola hotsaraina



Esory ao am-po ny alahelo aza avela hitoetra

Avilio tsy hikasika ny nofonao

Ny haratsiana rehetra e !

Aza mety mitoetra amin’ny fahatezerana ,fahakiviana

Ataovy mandalo tsy haharitra soloy fifaliana



Aoka ts’ hisy hanao  tsinotsinona anao tanora

Aoka ho tonga fianarana ianao

Amin’ny zavatra atao.



TCR , Janv 2002

Partager mifalia ry zatovo (tcr

Commenter mifalia ry zatovo (tcr

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Christophe Ratrema)