4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mihoatra lavitra (tcr - Tarika Christophe Ratrema)

Tsinjovy ny voro-manidina

Zay tsy mamafy na mijinja

Tsy mitaona ho any an-tsompitra izy ireny eh

Nefa velombelona eny



Ny Raintsika izay any an-danitra

No mamelona finaritra

Miadidy azy ary koa mikarakara

Tsy avelany ho diso anjara



Fiv:

Mihoatra lavitra noho ireny ianao ô

Raha mino sy hankato ny teny

Aoka hiorina finoana

Ka hivavaka sy hifona



Jereo ny voninkazo any an-tsaha

Ampitafiany voninahitra

Maika fa ianao izay fofon'ainy

Minoa fa hokarakarainy



Fiv:

Mihoatra .....sns



Katsaho aloha ny fanjakany

Mandalo anie ny eto an-tany

Ampiany ianao fa aza manahy ny amin'zany eh

Ankasitraho aloha ny androany



Fiv(X2):

Mihoatra...sns

Partager mihoatra lavitra (tcr

Commenter mihoatra lavitra (tcr

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tarika Christophe Ratrema)