4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bogosy fa tsy ampy saosy - Tselonina

Tsy izy intsony izy ity re olona

Mandainga izay milaza fa tsy mimonomonona

Raha izao no mitohitohy angamba

Tsisy harapaka intsony

Ny atsy ho atsy koa tsikafonkafona no alain-drony (2)



Antananarivo manja be raha tazanina amin’ny alina

Nefa miaina ao anaty tatatra sy fofon-dalle

Fako be miavosa ‘zay mitondra pesta sy mampivalana ô

Kisoa sy alika aza mihodidina fa tsisy làlana (2)



Constitution an-draolombelona efa zato pazy

Artikila miisa telopolo iray amby

Constitution zay folo an-tànana ny an’Andriamanitra Tsitoha

Voahitsakitsaka voadika hatrany an-tampon-doha



Io ianao ry ‘ngahy solombavam-bahoaka ô

‘Zaho vao mahita anao te hisotro toaka

Andao ry ‘se mba hiaraka

Fa raha hirotsaka mba hofidiko ihany

Avohay aloha ‘lay whisky f’aza be vinany



‘Sika rehetra na ministra na député

‘Zay misotro ranom-paopy sy ny robinet

Hita tamin’ny gazety moa nambara tamin’ny télé

Mitsikafona eny Mandroseza ‘zao ilay kapa be (2)



Indrisy anie Monsieur le Ministra

Toa izahay artista ihany no tena gisitra

Mitsoka mozika mihira sy mandihy

Jerena anefa ny ao am-paosy ê

Bôgôsy ihany ingahy Tselonina fa tsy ampy saosy

Partager bogosy fa tsy ampy saosy

Commenter bogosy fa tsy ampy saosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina