4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho haiko - Tselonina

Tsy ho haiko ny hamadika ny lasa

Ny habakaba iny aza efa nahita

Ny volana nitazana olon-droa hafa

Ny anilako eo tsy ilay fahiny



Tsy ho haiko ny hanaraka ny momba

Ka hilaza aminao anie Ra-Vero

Mahatsiaro an’i Rasoa no mahatonga

Izao izao ka tsy miteny



  Ity misy maraina iraisantsika

  Mahita anie aho hariva tsy mitsiky

  Harivan’olon-tokana any ho any

  Angamba hoy aho hariva mitomany



Tsy ho haiko mahalasa saina ihany

Fahatsiaroavana hatsipiko toa fako

Hatsipiko eny irano haverin’ny onja

Hatsipiko an-tanety haverin’ny ako



  Ity misy maraina iraisantsika

  Mahita anie aho hariva tsy mitsiky

  Harivan’olon-tokana any ho any

  Angamba hoy aho hariva mitomany

Partager tsy ho haiko

Commenter tsy ho haiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina