4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandamindamina - Tselonina

Ity ny maraina tara be ny masoandro

Izaho vita tohatra, madio lalantsara

Ity ny maraina tsara be ny masoandro

Ianao no atahorako tsy ho avy



Mandamindamina am-piandrasana anao

Mikarakara toerana misy raozy

Mandamindamina am-piandrasana anao

Efa mihainohaino na sioka na haody





Ity misy antoandro vita aloha ny nahandro

Izaho ve no maika sa ianao no toa lasa

Ity misy antoandro vita aloha ny nahandro

Efa mamindra ho any aminao



Maika dia maika ho any aminao

Tsy tsaroako intsony izay nanidy ny trano

Maika dia maika ho any aminao

Izaho no entanim-pitia fa tsy mamo





Ity misy hariva hitsambikinan'ny hody

Ny ora ve no diso sa izaho sy ianao no sondriana

Ity misy hariva hitsambikinan'ny hody

Malaindaina ny hisaraka aminao



Malaindaina ny hisaraka aminao

Mindrana tratra atao ondan-tsy handriana

Malaindaina ny hisaraka aminao

Avela ny lasa ho zokin'ny aoriana

Partager mandamindamina

Commenter mandamindamina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina