4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana - Tselonina

FITIAVANA

Efa izy, izy mihitsy anie

Raha fitiavana, fitiavana

No vatsy entinao mandehandeha

Efa izy e! izy lehibe



Izy raha fo voakolokolo

Fenoy fitiavana o! Fenoy fitiavana o!

No entinao miarahaba ny tontolo

Izy e! izy manontolo



Ny orokorok’olona-tiana tsy tia leiry e!

Omeko roa segondra hialana

Hifanoroka amin’ny tiana ka tia o o o!

Ivin’anjely ka mamy, ivin’anjely ka mamy



Tantanan’ny olon-tiana tsy tia leiry e!

Manaikitra toa rojon’zandary

Ny antanan’ny olon-tiana ka tia o o o!

Satriko tsy hiala eo ihany, satriko tsy hiala eo ihany



Hay io ilay izy

Io iaraha-mahita io

Fitia tsy fitia naveriko ery

ka tsy ho zaraiko amin’ny tary sy ekipa



Efa izy, izy mihitsy anie

Raha fitiavana, fitiavana

No vatsy entinao mandehandeha

Efa izy e, izy lehibe



Izy raha fo voakolokolo

Fenoy fitiavana, fenoy fitiavana

No entinao miarahaba ny tontolo

Efa izy e! izy manontolo  



Ny orokorok’olon-tiana tsy tia leiry e!

Omeo roa segondra hialana

Hifanoroka amin’ny tiana ka tia o o o!

Ivin’anjely ka mamy, ivin’anjely ka mamy





Tantanan’ny olon-tiana tsy tia leiry e!

Manaikitra toa rojon’zandary

Ny antanan’ny olon-tiana ka tia o o o!

Satriko tsy hiala eo ihany, Satriko tsy hiala eo ihany.

Partager fitiavana

Commenter fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina