4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy kalo - Tselonina

Misy kalo misiditsidina any

Mitarika sento sy tomany

Misy sioka malefam-piangaly

Vetsovetso ts’isy namaly



Dia nindramiko ny hariva

efa tolak’iny

Hiaraka aminy any aho



Misy loko natsidiky ny avana

Namaky habakabaka tsy nahy

Misy loko natsidiky ny avana

Saika mba haka anie aho fa dify izy



Dia nindramiko iny rahona  

efa dotran’ny masoandro

Hiaraka aminy aho



Misy teny manindrona dia lasa

Tokony ho tadidy tsy tsaroana

Misy teny voateny tsy kinasa

Tokony ho adinoina fa tavela



Dia nindramiko ny rivotra

Handingana ny fefy

Hiaraka aminy aho

Partager misy kalo

Commenter misy kalo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina