4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Akaikinao foana - Ny Ainga

AKAIKINAO FOANA



Nahoana moa ianao ry mamy no migogogogo sady mitomany

Adala angaha izato ianao no manao toy izao

Reraka aho manontany anao etsy hofafako ny ranomasonao

Raha misy manahirana anao inty aho ka lazao



Re-reraka loatra ny saiko

Mieritreritra anao ry aiko

Fa nilaozanao aho

Nilaozanao aho – ka mitomany

Navelanao ho ahy

Ny fahoriako



Hay ve izany fotsiny ihany ka dia natao hampitomany

Aza malahelo foana fa izaho mbola tia

Izaho tsy hifindra sanatria fa ho anao anao doria

Aminao lalandava ny eritreritro ka matokia



Tre-tretrika loatra ny saiko

Manana anao ry aiko

Avia manantona ianao

Manantona hosafosafoiko

Manantona ka etsy orohiko

Partager akaikinao foana

Commenter akaikinao foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite