4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dia samy tia - Joy K

Fo madio no iriko,

Hitoetra ao anatinao raha tia ahy,

Tsy handratra ahy,

Mpankafy tokoa, ho anilako eto



Ny tiako koa,

Toy izay ny anatinao any,

Ny aty tokam-po

Manahy tokoa ny hamoy fo.



Réf: Dia tafahoana samy tia

Vonona ny hisedra fitia,

Hifanome hafanana, hifampizara hazavana

K’izay fiainanao no ho fiainako,

Ny ampitso izay ho avy koa,

Hiarahana manangana mikolo

Hofehezintsika fo feno fitia ny tontolo,

Ny fidobony ho mozika hikolokolo.





Aoka ny sainao,

Tsy hamadibadik’ela intsony

Fa ho tony,

F’izaho dia nobaboiny, tsy afaka intsony

Miangavy aho, iriko fa sitrakao

Tena ho ahy irery ianao

Fa tsy hitambarako ami’ny hafa.



Ref:



Ka ny andro ho avy hiarahana,

Ho fenointsika fitiavana,

Fa tia sy tiana,

Samy niniana, nanao dina,

Fo, fanahy miray hina



Ref X 2

Partager dia samy tia

Commenter dia samy tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Joy K