4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dieny tsy mamo - Tselonina

Réf. Ndeha hody aho dieny tsy mamo (4)



Ry ray amandreny hajaina aoka ianareo mba hisaina

rehefa mba vory vahoaka e, fero ny dôzin’ny toaka

Fa sendra ny rôma mitampoka dia ao ianareo no milafika

Miantso ny ankizy Radada, modia @zay hozy Mama

F’ianareo ndray no toa avo vava



Variraraka ny ompa anabavy e, voatonona ny anarandreny

Teny efa mamoa fady e rem-bahoaka sy rem-pirenena

Dadanareo efa mitôkitôky ento mody @zay fa mamany ankilaoty



Réf.



Ndreo ianareo ry zalahy mandrosoa dia mipetrapetraha

Firy ary moa ny isantsika e ahazoantsika manao plus

Ny tsaky no atao misimisy, steak salady saosisy

Asio ambiny handehanako bus

He ianareo ry Gerard rehefa mamo dia mila bagara

Mipetraha tsara ry Annick e akombokombono lay fika



Efa raikitra ihany izy ity e asio hira Jerôme Randria

Raha toa ka hadino ny tonony e soly vazo Lôlô na Tselonina

Isika rehetra dia samy frera atsangano ny vera dia andao hisalema



Réf.



Tantaraiko anareo ry zalahy loza ty nanjo ahy

Sendra an’izay dôzidôzy e sasakalina mbola nirôzy

Demozelin’ny Anjarasoa kanto dia kanto tokoa

Fa hay ianareo ry vehivavy e mivarotra tsisy pataty

Ny zavatra anatin’ny zipo silipo varotana nefa tsy hita

Dia roboka ralehilahy mividy 20 000 francs

Dia sakanana ny piklà dia nampiana labier gauloise soda

Dia teny @ Etoile Rouge e tany no tapitra ny alina

Efa nisy nasisisko ihany e hividianana vary @anana



Fa nataoko ny kaonty maraina fatiantoka mihatra aman’aina

Voaharona hatramin’ny paosiko tsy hitako hatramin’ny kilaotiko

Ny volako lany efa ho sivy arivo ny penisilina mihoatra ny arivo

Partager dieny tsy mamo

Commenter dieny tsy mamo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina