Mitomany mangina io maraina io ilay malalanao
Vitanao tsotra izao hiova sy handao 
F\'ianao nahita olom-baovao manja noho izy
    Fa ianao no efa tiany sady niafiany
    Ireny bedibedy tsy nolazainy anao
    Mosoara tokana iny no ondana hatoriany
    Kotsan-dranomaso,fa tomany nilaozanao
Olon-tsotra sy tia tsy nanana harena ka nosoloinao
Saingy mbola ho tsaroinao rahampitso tahaka izao
Ilay fahatsoram-pony mba nitiavany anao
    Iny fanomezana iny d mba novidiany
    Fa nasitrika tsy nokasihinao
    Iny nosoratany,iny no mba takany 
    Nefa dia nahilikilikao tsy fantany akory
         Hanody anao ny fitiavany
         Hanody anao ny fahatsorany
Fa marefo tokoa ny tovovavy r\'efa tia
Sao tsy ho tantiny intsony ny ampitso,sanatria
Ka izao dieny izao rah mbola azo atao
Miverena maika ianao hamonjy ny akany
Fa sao izy dify efa mlkipy 
Tsy hahare intsony ny feonao tomany
          Hanody anao ny fitiavany
          Ho tsaroinao ny tsikitsikiny
Fa marefo tokoa....
     Oviana ianao(oviana ianao)no mba hanadino ankarihary
     Nefa ianao(nefa ianao)mandratra azy maharary
     Noleferiny mangina ny hatezeranao,nozakainy
     Reny lalam-pitakao tsy mba hitan\'ny masony *2
     Misy hafatra iray tsy mbola voafafany fa ianao io
     Izy tsy nahia tory tsy nanam-po akory 
     Mba nirary soa anao tafandry sy hanonofy mamy
         Fa hay ianao tafita niafina tsy hita
         Namihina olon-kafa iray hasambaranao
         Tsy fantany tokoa ny ratra izay hanjo
         Ianao mba nantenainy ka indrisy tsy ho azo intsony
       
           Hanody anao ny fitiavany