4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Gaga anao aho raolombelona - GHABY RATSITO

GAGA ANAO AHO RAOLOMBELONA



Gaga anao aho ho aho Raolombelona

Gaga anao aho amin’izato fihetsikao

Gaga anao aho fa voa vao mipenompenona

Fa rehefa faly aleo aho ho am’izao â !





Sendra mitobaka be ny harena

manehoheo ny voninahitra

ka sahy milaza manoha-tena

fa hoe tsy misy Andriamanitra

Ny anton’izany zareo dia fady

Tsy adala hono izy ka hitonantonana

Ny ambiansy amin’ny alahady

Ka dia hosimbany amin’ izay fiangonana





Eo koa ny daomy vao tena miady

Ny kapokaratra tsy hay tenenenina

Fa fialam-boly ny alahady

Dia mampiady ny dobla enina

Fivavahana tsy ilaina

Resaka atao hampandriana adrisa

Izy hono akory tsy kely saina

Ka hinohino izay paradisa





Kanjo izato izy raha voadona

Maizim-po, mivaloarika

Velan’ny Tompo ô mba mifona

mahavatra impito no mandohalika

mibaba etsy sy eroa

mirediredy an’izao sy zao

Velan’ny Tompo ô Ray tsitoha

Nahoana no manary ahy ianao ?

Partager gaga anao aho raolombelona

Commenter gaga anao aho raolombelona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe GHABY RATSITO