4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Haiko foana akia - Ny Ainga

Tiako foana ny anilanao

Na hiaretako ny mafy akia

Matokia f’izaho efa anao

Haiko foana ny mitia anao (2)



Ny fitiavako anao efa ato am-poko

N’aiza n’aiza tany alehako

Anao irery aho



Na handalo sedra tsy zakan’ny hafa

Na ho tafita isika roa

Matokisa malala,

Haiko foana ny mitia anao



Matokia aza manahy akia

Fa ataoko izay tsy hisarahantsika

Haiko foana ny mitia anao



Fianakaviana tsotra no niaviako malala

Fa ny marina tsy afeniko

Izaho tia anao



Mety hatahotra ny fonao manahy

Nefa ianao tia te hitia

Ndao akia ry malala

Haiko foana ny mitia anao



Tiako foana ny anilanao

Na hiaretako ny mafy akia

Matokia f’izaho efa anao

Haiko foana ny mitia anao

Haiko foana ny mitia anao



Mety ianao ho solafaka tomany

misy latsa mety hahakivy ny fo

Tsy ho zakanao



Fa na ory ianao na manana ny ampy

na rendrika aza ts’isy tia

Matokisa malala

Haiko foana ny mitia anao

Matokia aza manahy akia

Fa ataoko izay tsy hisarahantsika



Malala tiako

ilay fifaliako

Ny faniriako

Ianao no tiako



Malala tiako (Ny fitiavako anao)

ilay fifaliako

Ny faniriako

Ianao no tiako  (Ianao anao irery ihany no tiako)



Fa lazaiko anao

ny foko tia ho doria

Ianao matokia anao ho doria

Ny fitavako anao

Ianao irery ianao no tiako





Atolotro ho an’i Annette Malalako

Partager haiko foana akia

Commenter haiko foana akia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite