4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hampiaraka - Ny Ainga



Tena tsara kia ny andro hatry ny omaly

Fa ny ampitso mbola ho tsara kokoa

Ny androany aho, ny androany aho

Feno tsikitsiky foana malala ô,

Fa hampiaraka isika rahampitso

Rendez-vous-ntsika sy ianao.

Aza adino ilay fotoana rahampitso

Ho eny an-tampon-kavoana izaho sy ianao.



    Mammy a, O Mammy Mamy Mama mia

    Mammy a, O Mammy Mamy Mama mia



Iny zipo lava mangamanga iny e

Iny anaovana rahampitso

Iny zipo lava mangamanga iny e

Iny no entinao rahampitso

Tsy tafandry aho fa miembona any e

Hisy revy manja be rahampitso

Tsy hampiandry aho fa avy dia ho avy e

Ery antsampanan-dalana ery.

Tsy hampiandry aho fa avy dia ho avy e

F’efa mandry ny antsika sy indry.



    Mammy a, O Mammy Mamy Mama mia

    Mammy a, O Mammy Mamy Mama mia



Hifampitantana eny an-tampokavoana

Hondankondana sy safosafo

Fa ny antsika, ny antsika

Hasambarana mitoetra malala ô.

Ny antsika roa fitia manadala

Adala fa tsy mifankafoy.

Bedesina vao mainka tsy miala

Mampiaraka eny dia mifanjohy



    Mamy a, O Mamy Mamy Mama mia

    Mamy a, O Mamy Mamy Mama mia



Dia aza manao kiraro rahampitso

Fa kapa tsotra entina

Dia aza manao kiraro rahampitso

Fa ny lalana iny miakatra

Tsy tafandry aho f’avy dia ho any e.

Tena revy be ny antsika rahampitso

Tsy hampiandry aho fa avy dia ho avy e

Ery antsampanan-dalana ery.

Tsy hampiandry aho fa avy dia ho avy e

F’efa mandry ny antsika sy indry.



    Mammy a, O Mammy Mamy Mama mia

    Mammy a, O Mammy Mamy Mama mia

Partager hampiaraka

Commenter hampiaraka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite