4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamy ny asa - Hary

Lahy antitra fotsy volo

Mihodi- barahina mena

Nofo miketrona daholo

Tsy nify mba misy ho jerena



Mipetraka ambonin'ny vato

Andrefan'ny trano zozoro

Anilany eo ny harato

Miantona hita mijoro



Ny akanjo fitafy taloha

Malabary lomoron'ny rano

Mikipy izy sy miharin-doha

Manatrika ny andro efa mamo



Mijery sy tena variana

Misaina ny fiainany rehetra

Hasambarana sy fahoriana

'Ty zato taona mbola mitoetra



Mitsiky izy milaza fa marina

Ady izao fiainana izao

Feo malemy sy feo farimparina

No ilazany hoe mbola hohitanareo



Ady, hoy izy, nefa dia mamy

Matoa hiaretana tahak'izao

Saingy ianareo amin'izany

Mirongo fitaovana vao



Tsy ho vizana hitondra fivoy

Tsy hatory amin' tsihy efa lo

Ny fijalianareo dia ho fohy

Ny vokatra hahafam-po



Ny andronareo ho voafetra

Anaty lanitra tony dia tony

Ary rotsim-baliha no hitoetra

Amin'ny oran'ny fahamamony



Feony sy tonony : Jerôme Randria

Partager mamy ny asa

Commenter mamy ny asa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hary

Suite