4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny reninao - Mahaleo

Dia lasa indray ity reninao

Nilaza fa tena handao

Mikasa ny tsy hiverina intsony

Fa tofoka hono ny fony



Tsy tantiny intsony ny fahantrana

Ka lasa izy tsy tamana

Hitady toeran-kafa vaovao

tsaratsara noho izao



Efa nataoko izay azo atao

Hamalifaliana ny reninao

Saingy toa tsy tsapany

izay vita rehetra,

ny sitrapony tsy manam-petra



Isika mianaka no tavela irery

Voatery hifampi-jerijery

Ary koa, hifampikarakara

Ka aoka hifanaraka tsara



Koa raiso ho namanao

Fa raha mbola misy ny azo atao

Tsy ho diso anjara mihintsy ianao

Raha misy hery ao anatiko ao



Koa matokia izany menakin’ny aiko

Ny anjara adidiko tsy maintsy ho vitaiko

Koa matokia izany menakin’ny aiko

Ny anjara adidiko tsy maintsy ho vitaiko



Fomban-javatra ihany izany

Ka aza atao mampitomany

Ny fo anie mety hisendaotra

nohon’ny fahoriana tafahoatra



Nefa ny tany mihodina hatrany

Mifandimby ny mangidy sy mamy

Nefa aoka isika samy hino

Fa ny reninao tsy manadino



Ny varavarana no avelao hivoha

Toa izany koa re ny fo

Miandry ny andro hiverenany indray

Ho tafahoana ho tafaray



Koa matokia izany menakin’ny aiko

Ny andro hiverenany no mbola antenaiko

Koa matokia izany menakin’ny aiko

Ny andro hiverenany no mbola antenaiko

Partager ny reninao

Commenter ny reninao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite