4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Volasoa - Mahaleo

Gagagaga ianareo,

Gagagaga tokoa

Raha hotantaraiko anareo

Ny tantaran’i Volasoa

Kanefa, kanefa,

Aza atao manafintohina

Fa mba tantara,

Tantara ny ahy !



Mivarobarotra eny an-tsena eny

Izany mantsy no mba asan’ikalakely

Kanefa, kanefa

Tsy manana entam-barotra

Fa ny tenany ihany no mba varotra



Volasoa, ampelasoa ! (bis)



Ao koa anefa ireo zay tena mividy

Misy koa aza miady varotra

Varotra tsy raikitra hono

Tsy maharatsy fihavanana

Ka lavin’i Volasoa satria

Azony lavina !



Volasoa, ampelasoa ! (bis)



Firy taona izay no nanaovany ny asany

Hatrizay, hatrizay,

Dia velony ny tenany

Manaja ny asany raha i Volasoa

Manaja azy avokoa ry zareo ao amin’ny Andrisoa



Volasoa, ampelasoa ! (bis)




Partager volasoa

Commenter volasoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite