4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Solfezy - Mahaleo



1/ Ory irery, mbola irery,

Toa tononkira tsisy feony;

Miandry ilay, mozika iray,

Nefa toa ela ny fisehony;



Fa fitia tsy nisy mpiventy,

Ka lasa nivezivezy,

Miandry (2x), miandry anao,

Handrakitra azy ho solfezy.



2/ Ianao no redona, hamelona,

Ireo teniko,

Ny eritreritra fanantenako,

sy fitia nafeniko;



Ny any tena faniriako,

Fitia iara-miangaly;

Miandry (2x), miandry anao,

Hahatonga ny fitiavako antsaly;



Solo



3/ Nitady izay feo, mba tiako aho,

nitety sy nifindrafindra;

Nefa fa raha tsy, nivalana ireny,

dia redona tsy mety mirindra;



Ny any feo mifandimby,

Nefa tsisy azoazo,

Miandry (2x), miandry anao,

Hahatonga ny fitiavako vazo;



4/ Ianao no sisa, andrasana,

Dia ho tontosa ny hiran-tsika;

Ny tononkira nosoratako,

Ho ravahanao mozika;



Izao aloha dia mbola irery,

Tononkira mandeha ila;

Miandry (2x), miandry anao,

Handrakitra azy ho kapila.



Dadah & Fafah

Partager solfezy

Commenter solfezy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite