4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Odoie ...orera - Ny Nanahary

1-Teny tsy fantatra  izay nihaviany ny odoie

tsy malagasy ary koa tsy vahiny kanefa mandeha

resak’ankizy tsy ampoizina akory

indraindray toa manorisory

fa na an-tokatrano na an-dalambe

dia injany manako ny odoie

Oviana no teraka ity

Dia iza no dadan’ity

Oviana no tonga taty

Iza no renin’ity

E   gasy vazaha sa zaponey  odoie !



tsy fantatra intsony mampihanahana

na esoeso na fahagagàna

fa ny ankizikizy ary misy lehibe dia samy mampiasa ny odoie ..



namoaka JEAN  i Peta sy Zefa odoie

aliaka voahitsaka lasa nilefa odoie

manao azafady e

saka lazaina fa hoe mana-tody aliaka lazaina fa vilana ity

ny banga hono mikiky coco mamo mizity misatroka pô

odoie

natao mariazyi FIFI  sy DADAH  ny ali-pandihizany be lambada @ fihetsika VISA A  sadaikatra be ry PAPA sy MAMAN odoie

kala mipôzy odoie bandy mirozy odoie

izaho bôgôsy an !sady misôsy ! sôsy angaha?



tenin-jatovo mbà mahavariana ny odoie

tenin-jatovo tsy matiko lolo kanefa ...



madama nazeran’ny hoditr’akondro odoie

lanin’ny saka daholo ny trondro odoie



miady mivady Razafy ao atsimo dia lasa nisitaka nirimorimo

ny ankizy nilaozana jereo anie mihosina diky mamofona be odoie

kanefa kanefa dia tsy vazivazy tsy nampodiana fa dia nody ho azy

ry mademoazely efa niseratserana raha tara kely dia lasa ny toerana odoie

tandremo ny fo odoie

ianao ramatoa odoie

iry mampiresaka odoie

ity mampihesona , hesona angaha?



tenin-jatovo mbà mahavariana ny odoie

tenin-jatovo tsy matiko lolo kanefa ...

toeran’ny bevohoka io re ry nama a odoie

ka ny tompony tsinona mihanahàna e! odoie

manao azafady e

tonga daholo ny be sy ny maro vao mikatrokatroka be ny kiraro

miditra tara ny ny sekiretera dia mody fanina ny direktera

korana be ao anaty birao ry Euphrasie ry Lanto sy Bao

ry Jean Bôlida dia eo koa ny sisa avelany hiasa dia mikapalisa  odoie



tonga ny vadin’ny direktera  dia mody fanina sekretera

raha tonga ny vadin’ny sekretera mody snôb ny direktera odoie



zaka raha ravina odoie aliaka mikavina odoie

nirava ny mpiangona odoie

ny vady nanjavona

ity mandainga nanjavona hoa ity mandainga .. mbô kôzy e!

tenin-jatovo ....



mirôzy madama fa tsy ao ramose an

ilay ramose manararaotra @ mi tourner

odoie



samy mandeha dia samy mitady kanefa tandremo ny mivarina an-kady samy mandeha dia samy mahita  iriantsika ny samy ho tafita

bon ça va!

miara-mandeha dia miara-mitady ao anatin’ny tolotra sy ny tinady

ny tanjona izany @  2000 iry manajato dia izaho mpanarivo

dia izaho izany ahoana ?

Mbà mahaiza mitady .....



Ny zôridira dia misy mitsindroka  odoie

iry mafy sofina be sady lingitra

saridriaka ny be sy ny maro kanefa ny vadiny saro-piaro

matetitetika no mifamaly  asio tampi-maso dia toy ny soavaly odoie

dia gejagejao @ fanalahidy dia mamorona lalàna sy didy

ianao irery no tompo-tsafidy



raha manahirana asio lamboridy ny odoie

ka raha manahirana asio lamboridy  ny odoie ...(2 fois)





2- Teny vahiny mampihorohoro ny  orera

hafa faneno satria nogasiana ny orera

resak’ankizy tsy ampoizina akory

indraindray toa manorisory

na an-tokatrano na an-dalambe  dia injany manako ny orera

Oviana no teraka ity

Reko ny lazan’ity  

RAoviana no tonga taty ....



raha sanatria ka osy orera ...rasaka manatody e orera ..

orera a...

tsy ampy lava ny vola ao an-trano  orera

matetika mintsy sosoa be rano  orera

sasaka volana izao ny karàma voatery mitrosa matetika i mama

ary ny olona mba avy isamborana ny zana-bolany koa mahatorana  orera

ny ankizy madinika malazolazo ny sasany izany efa sisan’ny tazo

sosoa be rano ary no mahazatra    

3 andro izy ireo tsy nikapa  orera

sosoa be rano e

nidiran’angano e

oay aho ry Lisy a  tena tsy misy e

sosoa be rano e!

orera ..nidiran’angano e ! orera

orera aaa..



vaky lasantsy dia lany pneu orera tena mandreraka be enfin   orera

mampalahelo zalahy miaramila fa ny kirarony dia mitolila

marina moa fa tsy debrayé  ny pataloha misy tampina be

1 , 2 karôty navet  ..orera

angamba tsy ampy ny pardessus fa @ alina mivivy

refa tsy hitan’ingahy sergent dia mbà mipetaka par dedans

1 , 2  karôty navet ..orera

orera orera ....



refa mamindra somary mizesta  be ny voalavo dia misy ny pesta orera

tompon’andraikitra maro rasé  misy nilaza fa hoe be klé

ahoana sy ahoana razokiny be efa mbà niova ve ny fandeha? odoie

izy lehibe @ izao no tarafina ny zava-bitany koa no tahafina

mivaralila ny isan-tsokajiny dia ny vahoaka no mihinana ny tadiny ! orera

ka kotikotio eto Antananarivo raha voalavo iray mety hiteraka arivo

voalavo iray manambady in 5 tsy fantatro intsony fa izaho aloha vahiny e  orera

oay aho r’ikoto ah tanàna maloto e  orera

pesta hoa   miampy SIDA   orera



orera ...   orera ...



navoaka gazety ny 4 mi  odoie

nalàza tampoka teo ry lery odoie

nitady asa fa dia tsy nahita  niezaka ihany fa dia tsy tafita

ny fokontany efa nanipy gant

marina ireo tsy hanao tarzan   aou!......aou



manakaiky ny lanitra izy @ izay ny trano taty efa kila sy may

angamba izy ireo @ izay raha miteraka tonga dia 4 mi manan’elatra orera a ka tonga ...

fa ny fahantràna  au dos

ny hanoanana

ny tsy fisiana ..

ny fahoriana ..



fa ny lanitra manga ....

ny tsindri-tsaranga

ny diamanga

ary ny lalimanga

fa ny zaza madinika  dodo dodo



a dodoie ...



mpanao rami sendra vato nidofotra orera

nifanome lagy dia nisy ny sosotra  orera

manao azafady e...



miala maraina dia rami

miala hariva dia rami

tsy voakarakara ny zanak’ity ka lazain’ny olona  4 mi

orera

oay aho rapapa  orera omevo sopapa e orera

oay fôkasy  orera

tena kôlanty mersii



orera orera..



Etsy ho lazaiko aminao ny malàza an orera a

dia ny fanendahana sy ny hala-jaza  orera a

ny fanendahana misy manao

io hala-jaza io tena mba hajao

fanararaotana fotsiny izao sy fanafenana  ratsy atao orera

tonga avy hatrany dia misy misy milàza sy miantsoantso hoe mapangala-jaza e  dia tonga daholo fa mpangala-jaza e



dia taitra avokoa fa mpangala-jaza e

orera

tairiny kely @ izay ny vahoaka dia mitovitovy @ baomba mipoaka

tsy afaka miala mamela kamboty ny  afaka miala ny ainy no avoty fa orera

lasany ny kavina  kavina any izany

lasany ny peratra ....

lasany ny rojo ..

lasany vola ..

lasany ny akanjo

ny soutien ...

ary ny gorge ....

misy mamono oooo

maty Laholo .....oooo

orera



ka fofona kômorianina kely izay efa vontom-piro efa nivaralila

nanentoento eran’Analakely

nampisavoritaka ireo makorely  oy oy oy ..

orera orera ..



mananatra i dada lazaina fa soir a odoie oainina i neny @ izany lazaina fa tara odoie



Ny hafatra kely e!



ny odoienareo ity rankizy sy ny orera mbà  tena tsy izy

fa manamaivana ny fanajàna sy fihavanan’ny mpiray tanàna  ka

Oviana no teraka ity

reko ny lazan’ity



raha sanatria ka osy e orera orera

ra saka manatody e



ka oviana no teraka ity

d reko ny lzan’ity

oviana no tonga taty ...

gasy vazaha sa japoney



ka odoie odoie ...

nivadika orera

nivadika odoie

odoie ....




























Partager odoie ...orera

Commenter odoie ...orera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Nanahary

Suite