4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny làlana mody - Ossy

Eny tiako loatra eny izany

Ny mandeha amin’ny làlana mody

Toa hitako sahady hatrany hatrany

Ny hafaliana rehefa tody

Miandry izao izay rehetra tiana

Hotanteraka izao ny zava-niriana



Eny toa hadino sahady

Ilay nialana saika nahatamana

Hotsaroako ianao sy hanaovako voady

Ry ilay toerana, ry ilay tanàna

Tanàna tsy ho afaka an-tsaiko

Na oviana na oviana, ny hanadino tsy ho haiko



Midobodoboka sahady ny foko

Izay jereko rehetra toa miova loko

Ny masoko ve no mandroroa

Sa ahoana tokoa ?

Fa mitebitebim-pifaliana

Mampiova mahavariana ...

Partager ny làlana mody

Commenter ny làlana mody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ossy

Suite