4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vetso miampita - Ossy

MBA MISY VA REIZANY VETSO MIAMPITA

SA RAHA TSY HIFANATRIKA DIA TSY MAHITA

DIA ALEHOKO HO FANTATR’ILAY ANANKIRAY

FA MISY MANIRY SY TIA AZY IZAY



NIJALY NY FOKO HATRAMIN’IZAO

AHOANA NO FOMBA HITIAVAKO ANAO

NY SAIKO MANIRY NY VAVAKO HO SAHY

HAMOSAKA SENTO HIVETSO FANAHY



RAHA TOA ERITRERITRA IHANY KANEFA

RAHA SENDRA EMBONEMBONA DISO FIANTEFA

DIA AIZA DISONA FA MBA ANGORAHY

FA METY HAMPITONY NY RATRAM-PANAHY



RAHA TOA SENDRA KOSA FITIA MIFAMALY

DIA AIZA HAMPIANDRASINA FA MAMPIJALY

SATRIA NY FITIAVANA AKORY TSY VAROTRA

KA HIFANERENA NA HOE HO TIANA SAROTRA

Partager vetso miampita

Commenter vetso miampita

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ossy

Suite